<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jeso iankinako,
 Izy no mpanavotro ;
 Kristy itokiako
 Amin-tsaina sy ny fo ;
 Kristy ifaliako,
 Izy marina sy to.

[V2]
 Nahafoy ny lanitra
 Hianao, Mpanavotra ;
 Raha ny vahoakao
 Nobaboin'ny rafinao,
 Hianao mangoraka,
 Ry Kristy Mpanafaka.

[V3]
 Fahoriambe ny erý
 No nanjo Anao tatý
 Fa ny fahavalonao
 Dia nanenjika Anao ;
 Nefa novalianao
 Indrafo ny rafinao.

[V4]
 He, nijaly Hianao
 Noho ny fitiavanao
 Ka ny famindramponao
 No nahafatesanao ;
 Hianao nasandratra,
 Fa nijaly fatratra.

[V5]
 Sarobidy izahay,
 Fa ny ranao avotray,
 Izay nomenao ho anay,
 Mba hanafaka anay ;
 Tonga olom-potsinao
 Izahay navotanao.

[V6]
 Ravoravo izahay,
 Ry Mpamonjy maminay,
 Ka ny fanavotanao
 An'izao tontolo izao
 Sy ny fitivanao
 No isaoranay Anao.</lyrics>
<title>Jeso iankinako FFPM496</title>
<hymn_number>496</hymn_number>
</song>